Aller au contenu
Rechercher dans
  • Plus d’options…
Rechercher les résultats qui contiennent…
Rechercher les résultats dans…
bibill

Souvenirs Souvenirs

Messages recommandés

Ny saison eto @ tsika moa efa tapitra ka ity mba misy topic mety azo hanalana azy mandra-pà: Inona no SOUVENIR mba nanamarika anareo teo @ tantaran'ny rallye malgache?
Atomboko @ zay tadidiko: Ny nijery an'le DIANE (an'i Ignace moa izy iny ra tsy diso za) t@ zany fotoana dia nafinaritra sy nampangitakitaka tongue

Partager ce message


Lien à poster
Partager sur d’autres sites
Rallye Papmad: Lancia Delta Joda/Freddy sy ireo 504 be dia be tonga hatrany Majunga Very Happy Niaraka amin'ilay Super Spécial 2 tours ny bord amin'ny 5h du mat Exclamation Ny taona tsy tadidiko intsony Embarassed

Partager ce message


Lien à poster
Partager sur d’autres sites
Invité gauchepl

ary le R 30 n'i Maurice Be, V6 moa iny? scratch

Partager ce message


Lien à poster
Partager sur d’autres sites
Ny ahy ilay slalom teo Ankorondrano, vao azo mihitsy lay Golf an'i Sodiama t@ zany.
Ny tena naha-souvenir tsara dia izao : izaho nijery slalom ny week end, nefa ny alatsinain'iny examen Mathématiques, fa ny noty azoko t@ izay no anisan'ny tsara indrindra t@ Math série C nataoko.
Libérer kokoa ny saiko avy nanala azy nijery slalom.

Partager ce message


Lien à poster
Partager sur d’autres sites

Je me souv1 oci de la fameuse 404 de Zazah sunny ; nahavita koa iny an Rolling Eyes

Partager ce message


Lien à poster
Partager sur d’autres sites
Ny tena nahaliana koa teo aloha teo dia ny fivoaran'ny parc.
T@ andron'ny lancia aloha, dia efa faly satria misy fiara mitovitovy @ any am-pita.
Tonga ny Golf Sodiama, tany am-boalohany mbola ts'dia nahalala izay groupe sy ny karazany any, fa dia hoe bomba ny fiara.
Nanomboka nahafantatra ny gr A @ zay, ka tena faly tokoa hoe nisy clio gr A, 106 kit car, 106 gr A ( Mimi sy Yoyo ) .
Faly ihany t@ ny celica castrol, fa dia efa antitra mihoatra ny clio sy ny 106.
Nisy koa ny ford sierra cosworth, ilay escort cosworth koa tazana tena ihany fa toa ts'nanao rallye mihitsy raha ts'diso aho.
Fa ny tena nahafaly dia ny nidiran'ny Subaru gr A voalohany teto : manan-tantara ny subaru @ maha-triple champion du monde azy t@ zany, t@ ireny koa nanaraka tsara ny @ Kankunnen, Makinen, Sainz, Mc Rae, ... ny subaru impreza, ny ford escort cosworth WRC, ny mitsubishi lancer évo isan-karazany, ny toyota corolla, ny 306 maxi, clio sy mégane maxi, ny 106 kit car ...
tonga @ zay koa ny 206(WRC hono), taty aoriana vao nahalala fa ketrika hono fa tsy WRC, ny mitsubishi lancer évo VI mbola anisan'ny récent t@ zany, ny toyota celica gr N izay tanora be mihoatra ny celica castrol taloha.
Indrisy koa tsisy tafajanona ny subaru gr N rehetra sy ny gr A farany izay nentin'Emontspool, ngamba kivy t@ ny nanjo an'Joda t@ subaru gr A ex-Emontspool daholo.
Lava-be izy zany! zay aloha fa miandry izay nouveautés @ herintaona indray : anisan'ny tena andrandraina ny an'i Faly sy Louvel izay nilazalaza fa hitondra fiara vaovao. Wait and see!

Partager ce message


Lien à poster
Partager sur d’autres sites
Invité

Lancia = Zo razakaboana + Nissan Sunny sy ny BMW 325 IX! perfs milay be koa reo! rakotondrabesa= 5423/ 504 telecel ... dia i davonjy Marc koa t'@ eo cinqs eo ihany koa..tena enjana!Gérard louvel nitondra visa 1000 pistes koa tena degany be!Haja danielson sur 505 turbo injection...niakatra course de cote ankatso sy ny rallye (tsy aiko intsony)!

D'ailleurs mitady turbo injec za zao ra misy mahita @ vidiny rariny flower

Partager ce message


Lien à poster
Partager sur d’autres sites
Tamin'ny androny Cosworth mihitsy no nivoahany Clio Williams Joda raha tsy diso aho. I Ricquebour no nitondra ilay Sierra Cosworth tamin'izay. Teo Andranomena no niainga voalohany ny Clio Dzama. Ny adva sérieux dia ilay Toyota Celica. Vahoaka koa no tonga teny tamin'io Very Happy Mbola tsy nahay loatra izay any anaty SS tamin'izany fa dia ny slalom eo Andranomena dia efa mahafaly ery. pirat

Partager ce message


Lien à poster
Partager sur d’autres sites

T@ reo évolution parc reo, dia anisan'ny phenomene teo @ spekta ny fahitana le Golf Sodiama bom t@ androny

Partager ce message


Lien à poster
Partager sur d’autres sites
Marcus a écrit:
Ny tena nahaliana koa teo aloha teo dia ny fivoaran'ny parc.
Nisy koa ny ford sierra cosworth, ilay escort cosworth koa tazana tena ihany fa toa ts'nanao rallye mihitsy raha ts'diso aho.
!

ilay escort cosworth nanao course de cote tany isorana Fianarantsoa daia nivadika tany fa potika tanteraka... an-dry terrinen ilay izy : bomba be loatra angamba ka tsy voafehin'i nedala.

Fa ny souvenir milay koa dia ny rallye des pistes sy ny grand rallye tamin'ny taona 80 sy fiandohan'ny taona 90 (ary efa antitra ihany aho izany kle) rallye iray isantaona no nisy tamin'izany (manana tombony ange ry zalahy isika ami'nizao mahita rallye dimy isantaona e)
ny GRM (grand rallye de Madagascar) 86 sa 87 moa izy izay 5.000 km eo ho eo (Tana - Mahajanga - Antsiranana - Toliara - Tana) tamin'izany ny r18 an'i doff sy Karl no nalaza, dia ry Mamibe tamin'ny R12 gordini, dia joda angamba toa 504 (niaraka tamin-drafala)
Dia nisy koa ny rallye des piste 85 sa 86 sa 87 tsy tadidiko nandray anjara ny karenjy (équipage officiel) lasany ny étape voalohany (na nisy nilaza aza hoe namboamboarin'ny fitandrana revolisionera ny résultat) dia nivadika tamin'ny 2ème étape. fiara 4 no tonga farany. Nandalo tany soavinandrina ny rallye tamin'ny 2 maraina ny départ teny andranomena fa niari-tory mihitsy ny bandy teny antanana teny Fenoarivo hijery rallye (tsy nisy speciale izany taloha fa temps imparti no omena, moyenne ambony be, dia mahazo penalisation izay tsy mahatratra) nefa fiara 4 fotsiny no hita : anisan'izany Danielson (504pick up) dia Hery sy pianina (DS 21)
GRM 87 na 88 nandalo tany mananjary. Natory tao antsirabe. Efa nahazo avance be i Joda nitondra opel ASCONA (isan'ny Vam bomba tamin'izany) dia nanao fanahy iniana tara 30 minutes izy tamin'ny départ tao antsirabe (hoe tsy tafafoha maraina hono)

Partager ce message


Lien à poster
Partager sur d’autres sites
NY rallye hitako voalohany dia ny rallye Spaga 1984 niaraka ny moto sy ny fiara. ilay rallye nahafaty an'i paul ramart hitako fa tsy mbola kopy an'ilay atao hoe rallye aho tamin'izany.

Ny combat milay indrindra ho ahy dia ny Rallye de l'amitié 1985, ny départ sy ny arrivée teo amin'ny solimotel no hitako fa arako tamin'ny antsipiriany ny fivoaran'ny rallye satria manaraka isaky ny étape ny avy ao amin'ny RNM (taloha mandeha direct ny rallye avy any anaty étape tonga hatrany ihosy sy tulear mihitsy ry zalahy, nilay tamin'izany, misaotra an-dry naina rabearivony sy ry ruffin ary ry daniel andriamaro e!) : bobaka be ny réunionnais tonga taty niaraka tamin'ny Vam mazana be (opel ascona, opel manta , toyota corolla, etc...) i Joda niaraka tamin'i ricqbourg (opel ascona) i danielson nitondra Alpine fa iva loatra dia tsy lasa lavitra. fa ny gasy afaka nifampitana tamin'ny reunionnais dia i alcazar sy maurice be (R30) ary efa nitarika mihitsy saingy tapaka train avant tamin'ny étape farany teo ambatolampy

Partager ce message


Lien à poster
Partager sur d’autres sites
Invité propuls
tena efa ra-zokiny marina ry emsics raha nahita izany rehetra izany!!!

ny
tena souvenir momba an'ny golf sodiama izao dia ilay izy niongotra
kodiarana arina indroa. Toa ss tany soavinandriana tany izy io raha tsy
diso ny tenako. Nampihaiky aloha iny golf iny e!

Partager ce message


Lien à poster
Partager sur d’autres sites
ny celica nanao rally teto voalohany dia tsy i 1205 (ilay an'i erick belazao any amin'i Gino izao) fa ilay an'i Ranary (bouliste) fa toa indray mandeha nanao ihany ilay izy tany amin'ny fin 80 tany
ilay ry io aloha nampanao vam milay be tany amin'ny 1986 tany aza ilay ry nilako mercedes

Partager ce message


Lien à poster
Partager sur d’autres sites

Marina zany fa t@ reny fotona reny ny rallye dia nitety an'i Gasikara mihintsy, sady nande alina foana, ka betsaka ny mpandray anjara no tsy tafafoha maraina Sleep ( na tsy nety nifoha tsotra zao) fa godraka lol!

Partager ce message


Lien à poster
Partager sur d’autres sites
anecdote iray (tsy hitako aloha fa nivoaka gazety!!!)
fandraisana anjara voalohany an'ny subaru Impreza teto Madagasikara. zoma amin'ny 2 ny depart saingy zoma maraina vao dédouanée ny subaru an'i dethier dia maraina atamin'ny valo sasany vao niala tany Toamasina. 3 h 45 no nanaovan'ilay ry Tamatave - Tana (taibe izany raha sur route ouverte ). 45 minute avant départ vao natao visite ny fiara. ni abandonne 2 ème étape

Partager ce message


Lien à poster
Partager sur d’autres sites
marina fa ny fiara no maha rallye ny rallye sady nanana ny nampiavaka azy ny antsika teto gasikara raha tsy hiteny afa-tsy ny dauphine na ny austin an'i Benaivo efa nisy koa izany citroen Traction soalaza izany tamin'ny 1990. teo koa ny 404 an'i Zazah. fa tsy azo sarahina amin'izany koa ny pilote. Samy nanoratra ny tantaran'ny rallye teto daholo na ny kalaza na izay nandray anjara indray mandeha fotsiny. (misaotra zalahy a!)
Fa ho ahy ny ekipazy isan'ny nanamarika ny tao anatin'ny 20 taona mahery dia i Maurice be sy Alcazar (nalaza izany a!) ry zalahy rahateo isan'ny nitondra fiara raitra (R30, R 15 turbo) saingy raha ny fahatadidiako toa tsy mbola nahazo rallye niaraka izy roalahy na dia favori hatrany aza isaky ny rallye (ry zalahy koa tsy mitsitsy mihitsy a). i Maurice be no efa nahazo ny rallye papmad tamin'ny R5 Gt turbo dia i Alcazar efa nahazo rallye iray niaraka tamin'i Joda tamin'ny 1990 angamba izy izay BMW 325 ix ( io no BM 325 voalohany nanao rallye teto).
Mazava ho azy fa eo koa i Joda. Toa tamin'ny nitondra Opel ilay ry vao nantsoina hoe Joda fa taloha tamin'ny 504 toa mbola hoe Ranarivelo, Ekipazy faheno foana ny hoe Jodda sy Freddy na joda sy teillet.
Dia eo koa ry besalahy (Frères Rakotondrabesa) ny rallye koa mantsy matetika revina mpirahalahy toa an-dry Rabetsaroana (nitondra Ax voalohany) ry razakaboana mirahalahy (nitondra 305 volaohany fa afaka nifampitana tamin'ny vam mtanjaka an'ny reunionnais tamin'ny fotoan'androny) frères razakandrandria (nitondra peugeot 505 voalohany) nisy koa ry frères tahirisoa (nanana ekipazy 3 isaky ny rallye tamin'ny fotoanany)
Ny ekipazy vehivavy indray dia nisy an-dry Madame Rafala, dia ry mimi sy YoYo, dia ry Voahangy sy Mme terrinen taty aoriana
Ny avy any Toamasina koa no nisy ekipazy nalaza Gerard sy Raminahy (Simca 1100, fiara notapahina chassis genre 540 voalohany) dia ry Rabenjamina sy Jackson (Peugeot 204) dia i James sy Gray taty aoriana (peugeot 205) nisy koa ny avy any Mahajanga
raha teo amin'ny fivoaran'ny parc indray dia ry Danielson Haja no isan'ny namoaka fiara vaovao volaohany hatrany (Lancia, R5 gt Turbo, R21 quadra)
Ny nitondra 205 voalohany no tsy tadidiko fa nalaza ry Eric Alliot sy Eric Cochaux ary i Payen (toa i Payen angamba)
Nisy koa ny 309 ravintsara an'i Riri sy dofa, ny hany 306 nandray anjara tamin'ny rallye an'i Thierry Barday. Izaho aloha ry zalahy hatramin'izay dia peugeot foana na dia hoe efa nivadika vam alemana aza tato ho ato fa amin'ny sport, na teto na tany ivelany, peugeot foana ny foko
Fa ny peugeot 504 no Vam nalaza tamin'ny rallye malagasy : ankoatra ny 540 sy 5423 dia nisy an'i tonnerre (an'i Rapa) sy 2261 (an'i Herve vazaha), Rafaly be (roi Lion) koa ange cinq's no nanombohany. fa ny cinq's nilay teto dia ilay an'i nanoo (V6). Mazava ho azy i Davonjy

Partager ce message


Lien à poster
Partager sur d’autres sites
Invité gauchepl
mila tsiahivina mihitsy ry zalahy ny tantara;tadidiko t@ zany marina ny challenge paul ramart de i rabronz no nahazo 1er t@ moto,hafaliana ny an'ny james club t@ zany,dia ny tena nampiaiky ahy t@ zany marina koa dia ry danielson (charade turbo,alpine 310) tsy resy mihitsy t@ course decôte ankatso fa ny tena nahafinaritra ahy indrindra dia nijery an'i tina kely zandrin'i haja danielson nitolona ténéré 600 nefa lery mbola tsy 12 ans akory t@ zany.

Partager ce message


Lien à poster
Partager sur d’autres sites
Ary ilay 505 evolution an'i Haja Danielson teny amin'ny Côte d'akatso Cool Mba nilay koa iny an Exclamation

Partager ce message


Lien à poster
Partager sur d’autres sites
tsy dia hoe ntaolo be akory fa mba nahita kely ny teny aloha sady ny ankehitriny koe efa iaraha-mahita
fa miresaka an'i rabronz nareo : i Pick sy rabronz tadidiko nitondra 304 décapotable izay (ohatran'ny buggy)
Vam hafa mihitsy koa no netin'i Jean Marc Razanamasy tamin'ny rallye super sprint : mazda 4 x 4 B 2200. tamin'io Rallye io koa nisy 4L
Fa raha hoe moto ry Razafy no kadada taloha dia ry Billy kely tamin'ny moto kely (Yamaha Yz 80)

Partager ce message


Lien à poster
Partager sur d’autres sites

Raha hiresaka moto (tsy koi fa sport mecanik ihany reny lol! ), dia nalaza tokoa ry Razafy farao t@ androny, nanaraka azy avy eo ry Billy niara nifampitady t@ Rapà (Patrick). Lery io moa de nanjaka king nandritra ny fotoana maro saingy nisy fotoana lefy laza ny cross teto @ tanàna Crying or Very sad , ka zao vo miverina ndray ny fifaninanana.
Fa teo koa ry Freddy zay tsy azo sarahina @ tantaran'ny motocross sy rallye teto @ tanàna cheers

Partager ce message


Lien à poster
Partager sur d’autres sites
Invité HUSKY
Betsaka tokoa ireo pilote rallye no nanao moto taloha! toy an-dry Irina, Freddy, Faly Be... Ilay fotoana naha -lefy an'ny sport moto ngamba no nahatonga an-dry zalah nivadika nilalao fiara?

Partager ce message


Lien à poster
Partager sur d’autres sites
Invité gauchepl
za aloha mahita hoe manana potentialité i Haja e! fa le R21 kosa aloha tena tsy mety @ lery intsony e! tsy aleo aza ve manao @ cinqs?

Partager ce message


Lien à poster
Partager sur d’autres sites
Invité doda

i Haja manana potentialité b mitsy ka, sahiko mintsy no miteny fa raha anao classement an'ny meilleur pilote tafiditra am 5 premier lery
Fa le R21 kosa alo efa reraka ra haja a SmileSad ny ao anatin'ny amzany tena c'est le bordel, ny mal arrière tsy mety mihidy intsony
Manena tena kely de miova vam oatra hoe subaru fotsn de efa mverna au top cheers toi ra haja a kozy e

Partager ce message


Lien à poster
Partager sur d’autres sites
tsy dia misy resaka firy moa ka dia hotohizako indray ity serasera ity:
tsy izany fa nahita Citroen CX aho teo dia nahtsiaro fa efa nisy CX nanao rallye koa teto an'i Nono fa tsy tafa foana ilay izy

Partager ce message


Lien à poster
Partager sur d’autres sites
ny rallye tena nafinaritra anah indrindra D lé prologue natao teo Betongolo.tsy tadidiko hoe taona firy fa tena mbola bandy kely iany t@ zay.Alina ny epreuve no natao t@ zay,i joda sy Eric (celica) ary ry fredy no tena nalaza t@ zany.ny tena nahafinaritra t@ zay D lay toerana:maita tsara ny circuit rehetra,ohatran'ireny any @ Stade de france reny satria aty ambony no mijery.Lé teny Iavoloha koa loh tsy ratsy é.Fa mba aiza ary @ zao no misy toerana tsy D lavitra ohartran'reny é?lé tetsy Ankorondrano tena nlay fa tô tsy azo anaovana tsony ngamba[b]

Partager ce message


Lien à poster
Partager sur d’autres sites
je crois que le premier rallye de Joda avec la Golf ( et Freddy en tant que pilote sur la Lancia) a ete le theatre d'un belle bataille aussi....je suivais les temps a la radio FM...lol

Partager ce message


Lien à poster
Partager sur d’autres sites

Les duels Joda ( Lancia) vs Haja Danielson ( R21 quadra) etaient impressionant aussi....ils ont vraiment eleve le niveau de jeu...c'etait soit casse pour Joda ou sortie de route pour Haja....


cheers

Partager ce message


Lien à poster
Partager sur d’autres sites

Je crois que le duel Mathieu (p205) vs Louvel (citroen saxo) restera aussi longtemps dans la mémoire de ceux qui ont pu voir le spectacle Rolling Eyes

Partager ce message


Lien à poster
Partager sur d’autres sites

×
×
  • Créer...